Inona no atao hoe Sarintava

Ny sarintava (tsy misy tsipi-panohizana) dia kamban-teny avy amin'ny hoe sary sy tava. Azo adika amin'ny teny vahiny hoe "avatar". Eto amin'ny serasera.org dia ampiasaina izy hanehoan'ny tsirairay ny sombin-tsariny izay hamantarana azy eo amin'ny takelaka rehetra.

Ny sarintava ekena

Rehefa tsy mamoafady dia azo ekena. Tsy voatery ho sarinao ny sarintava... fa sary natao hamantarana anao.

Aiza no hiseho ny sarintava?

Amin'ny takelaka serasera rehetra izay azo hametrahana solonanarana dia mety hasiana sarintava. Amin'izao fotoana izao dia sarintava iray ho an'ny namana iray miseho amin'ny takelaka rehetra. Azonao ovaina foana kosa anefa ny sarintavanao, arakaraka izay tianao.